4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mba nandao - Lalao Rabeson

N’aiza misy ahy hotsaroako foana ianao

Ny elanelan-tany tsy hanova ny fitiavako

Amin’ny alina mangina ianao no ao an-tratrako ao

Harenako ianao, tsy atakaloko

Satria lamba irakofako







Ireo dina izay natao

No hajaiko noho ianao

Ianao no ilay nofinidy

Na amy mamy na mangidy

‘Reo rendrarendra eto an-tany

Dia nafoiko noho ianao

Raha sendra aho ka tomany

Ianao no anilako ao







LALAO RABESON

Partager tsy mba nandao

Commenter tsy mba nandao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalao Rabeson

Suite